NDAO, hiara-hananganana fikambanana miady ho an’ny tolom-piavotan’ny mpiasa sy ny tantsaha eto Madagasikara.
Kamarady,
Nanamarika fiolanana teo amin’ny tantaran’ny malagasy ny fihestiketsehan’ny septambra-oktobra 2025. Ny Génération Z, ny mpianatr’Ankatso sy Vontovorona, ny mpianatry Toamasina, ny mpiasa, ny tantsaha ary ny sahirana dia niara-nidina an-dalambe nanohitra ny fahatapahan’ny jiro sy rano, ny kolikoly, ary ny fitantanana tsy mahomby nataon’ny fitondrana izay nivarotra ny firenena tamin’ireo orinasa iraisam-pirenena sy ireo oligarka eto an-toerana. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy fotsiny dia nahavita nampandositra ny filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny forongony izy ireo, ary nanohana ny fametrahana ny tetezamita tantanan’ny miaramila.
Io hetsika io dia naneho fa : mety ho afaka manao tolom-piavotana ny vahoaka malagasy. Tsy mpitazam-potsiny izy ireo, ary tsy voavidin’ny jiro LED, sy ny gonim-bary na ny fampanantenana poakaty nataon’ny mpitondra teo aloha tamin’ny fifidianana. Fantany hoe iza no fahavalony : ny borizoazia1 mpihary amin’ny varotra ataony amin’ny vahiny, ny imperialisma iraisam-pirenena izay mandroba ny harentsika, ary ny oligarka eto an-toerana mpamadika ny vahoaka ho an’ny tombontsoany manokana. Samy mihozongozona avokoa ny toeran’ireo eo amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny.
Tsapa, anefa, fa tsy tonga tamin’ny tanjony ny hetsi-bahoaka ankehitriny. Satria nahoana? Satria tsy ampy ny nantsoin’i Lénine hoe lohalaharana voalamina2: vondrona foibe marksista-leninista afaka manova ny hatezerana tsapa tamin’ireny tolona ireny ho hery iniana ampiasaina, ho antoko mpiady ho an’ny jadon’ny proletariâ3. Rehefa tsy nanana fitarihana siantifika, fifampifehezana iombonana, famakafana materialsita ny fiarahamonina malagasy, dia miparitaka ny hery, miditra an-tsokosoko ny mpanararaotra, ary nangalarina ny revolisiona, tahaka ny tamin’ny 1972, na ankehitriny izay mety hanorenan’ny tetezamita ny fitoizan’ny kapitalisma amin’ny endriny vaovao eto Madagasikara.
Rafi-baovao dia tsy fanehoan-kevitra ihany. Fa fitaovana entina ifanabeazana sy ifandaminana handrafetana miaraka ny lohalaharana hitarika ny tolom-piavotana. Mizara famakafakana mikasika ny saranga, fanakianana tsy misy indrafo ny populisme sy ny fanambaniana ataon’ny sangany4, tononkalo sy sary manaitra ny fahatongavan-tsaina proleterarianina. Fa tsy ampy anefa izany. Mila miakatra amin’ny ambaratonga ambonimbony kokoa isika : mamorina ivo maharitry ny mpitarika marksista-leninista malagasy.
Izany no iantsoanay ireo kamarady :
- Manaiky ny marksisma-leninisma ho siansan’ny tolom-piavotana (Marx, Lénine, Staline, Mao Tsé-toung ampifanarahana amin’ny toe-piainan’ny malagasy)
- Manohitra ny fanaovan-javatra tsy misy fiomanana toy ny nataon’ny Gen Z, fa manaiky ny toeran’izy ireo ara-tantara ho mpiantso sy mpitarika ny vahoaka nitolona tamin’ny septambra 2025.
- Vonona ny hanaraka ny fifampifehezana iombonana : asa tsy tapaka (fanoratana, fampielezana, fanofanana, fihaonana mivantana), fitazomana tsiambaratelo rehefa ilaina, firaisana amin’ny zavatra nifanarahana fa hoatao5.
- Vonona ny hanome tari-dalana proletarianina6 amin’ny tolona ankehitriny : ady amin’ny fahantrana ateraky ny rafitra misy, fandraisana ho fananam-pirenena ny harem-pirenena, fametrahana ny fiandrianam-bahoaka tena izy7.
- Mandà ny fifanarahana tsy mampandroso ny tolona8 amin’ny borizoazia, ny ONG imperialista na ireo mpisandoka milaza ho an’ny fandrosoana izay manalefaka ny adin-tsaranga.
Raha ianao izany kamarady izany : na mpianatra ianao, na mpiasa, na tantsaha, na avara-pianarana ho an’ny fandrosoana, na mpitolona leo ireo fikambanana malemy tsy mahatondra mankany amin’ny tanjom-pahafahana, dia NDAO HIARAKA AMINAY!
Ahoana no atao handraisanao anjara?
- Vakio ny sata fanontana ary amarino ny fanekenao ny tsipika9 politika arahintsika ato.
- Resaho manokana amin’ny halalan’ny mailaka (contact.tafasiry@proton.me) na hafatra miafina mivantana amin’ny ny pejy.
- Valio ireo fanontaniana ao amin’ny formulaire ahafahanay manombana ny firotsahanao : ny famakafakanao ny hetsiky ny 2025, ny famakianao ny marksisma, ny fahafahanao manao asa mpitolona.
- Raha eto Antananarivo na manodidina ianao, miomana hanao fihaonana mivantana voalohany miafina.
Tsy mila dokam-barotra imasom-bahoaka. Tsy mila trolls sy mpitsikilo. Mpiasa miady ho an’ny tolom-piavotana vonona hampanjakazaka ny kolontsaina sy ny politikan’ny vahoaka mpiasa malagasy ihany.
Tonga ny fotoana. Tsy ny tetezamita ankehitriny no fandresena farany ; fiatoana ihany mialohan’ny onja manaraka izy io. Ary raha tsy tarihin’ny antoko marksista-leninista ny onja manaraka, dia tsy haomby indray ny tolona. Mila mafy fototra ny hatezerana mba hiova ho fahefana entin’ny mpiasa.
Noho izany ndao hiara-hiady ho an’ny vahoaka miasa maro an’isa! Ho an’i Madagasikara sosialista, entim-bahoaka ary afaka.
